Fomba hodian'i Ravalomanana.
Maro ireo vaovao milaza fa hody i Ravalomanana. Efa ela izy no hilaza hoe hody fa tsy tafody.
Raha dinihina dia sasa-miandry an'i Ravalomanana ny vahoaka malagasy. Ary izany sasa-miandry izany dia manimba ny "opposition" any M/car : tsy afaka mampiseho hevitra hentitra, mazava sy ofisialy ny mpanara-dia an'i Ra8. Lany ny andro miandry azy hiverina.
Mba hialana izany fiandrasana lava izany, dia tokony hanolotra olona ao M/car hanolo azy i Ravalomanana. Tsy olona ho solon-tenany - satria lasa mitarika fiandrasana indray - fa olona hanolo azy mihitsy. Io olona io dia tsy hanolotra ny tenany, fa i Ravalomanana no milaza izany, mba tsy ho very saina ny vahoaka malagasy.
Mila fahaiza-manao tsara anefa izany : iray, io olona io dia mila mampiseho fa manana hevitra maha-izy azy, mba tsy ho raisin'ny vahoaka ho 'marionnette' ka hiandry an'i ra8 indray. Roa, nefa koa hazava tsara hoe tohanan'i Ra8 izy: rehefa misy ny fivoriana eny Akorondrano dia mitohy ihany ny antso antaroby ataon'i Ra8. Io olona io no ho candidat amin'ny fifidianana manaraka, ary i Ra8 no ho premier ministre rehefa lany izy.
Efa fomba fanao io fanolorana sefo vaovao io, rehefa hita fa sarotra ny fiverenana. Tsy ela akory, tany Russie : araka ny lalam-panorenana any Russie dia tsy nahazo nilatsaka président intsony i Vladmir Poutine. Ny nataony dia natolony ho candidat dia i Dmitri Medwedew. Lany i Dmitri Medwedew, ny 2008, dia i Vladmir Poutine no lasa premier ministre. Tsy very voninahitra akory i Vladmir Poutine, vao mainka tian'ny olona izy amin'ny fahaiza-manao ataony.
Aoka tsy ho hadinoina, anisan'ny ny nampiongana an'i Ravalomanana dia, izy te-hitazona mafy ny azo, tsy manolotra olona hanolo hafa rehefa sarotra izany .
Marina ny hevitrao.
Efa ela aho nilaza zvt toy io tao @ dinika politika, saingy tsy tao antsaiko kosa aloha ny hoe "izay no hotendrena ho PM" e! . Raha ny marina dia ny manomana ny kandidatiora prezindansiely vaovao ny TIM. Izao no fotoana tokony handinihany an'izany.
Misaotra mizara.
Tsy mora2 ny miverina fotsiny amin;izao, mila mieritreritra tsara izy ary manana strategie mantanjaka hihainany amin'ireto biby saina ireto. ka ho hita eo raha vitany ilay izy
Iza no olona isolon-tena azy eo? Jereo ity ataon'ilay vendran-dahy mpamadika tanindrazana,lian-dra ,tapitra vonoiny daholo ny olona,dorany ny harem-be malagasy ,maro ny tsy anasa noho ny habibiana nataony.Raha mba saingy nisy nanaraka ihany aza izy,niverin-dalana daholo ny olona noho ny fitiavan-tena loatra eo aminy.Tsy misy miverina izany eo,mbola tsy mody izy satria mbola maro ny antony.Izao sakanana tsy avela iditra indray izy,feno miaramila ny eny Ivato.Ka raha tsy azy irery Madagasikara ka mihevitra ny didi-jadona tsy hisy fiafarany izy.Ra8 no nofidianay,izy no laninay dia avelao izy iverina eo amin'ny toerana nomen'ny malagasy rehetra eraky gasikara azy.MItohy foana hoy aho ny tolona e.
Marina izany. Mitohy hatrany ny tolona fa tsy misy miverina izany. Mverina izy vao vita ny tolona rangahy ity â !