Fomba hodian'i Ravalomanana.

Published on 06/14,2009

Maro ireo vaovao milaza fa hody i Ravalomanana. Efa ela izy no hilaza hoe hody fa tsy tafody.

Raha dinihina dia sasa-miandry an'i Ravalomanana ny vahoaka malagasy. Ary izany sasa-miandry izany dia manimba ny "opposition" any M/car : tsy afaka mampiseho hevitra hentitra, mazava sy ofisialy ny mpanara-dia an'i Ra8. Lany ny andro miandry azy hiverina.

Mba hialana izany fiandrasana lava izany, dia tokony hanolotra olona ao M/car hanolo azy i Ravalomanana. Tsy olona ho solon-tenany - satria lasa mitarika fiandrasana indray -  fa olona hanolo azy mihitsy.  Io olona io dia tsy hanolotra ny tenany, fa  i Ravalomanana no milaza izany, mba tsy ho very saina ny vahoaka malagasy.

Mila fahaiza-manao tsara anefa izany : iray, io olona io dia mila mampiseho fa manana hevitra maha-izy azy, mba tsy ho raisin'ny vahoaka ho 'marionnette' ka hiandry an'i ra8 indray. Roa, nefa koa hazava tsara hoe tohanan'i Ra8 izy: rehefa misy ny fivoriana eny Akorondrano dia mitohy ihany ny antso antaroby ataon'i Ra8.  Io olona io no ho candidat amin'ny fifidianana manaraka, ary i Ra8 no ho premier ministre rehefa lany izy. 

Efa fomba fanao io fanolorana sefo vaovao io, rehefa hita fa sarotra ny fiverenana.  Tsy ela akory, tany Russie : araka ny lalam-panorenana any Russie dia tsy nahazo nilatsaka président intsony i Vladmir Poutine. Ny nataony dia natolony ho candidat dia i Dmitri Medwedew. Lany i Dmitri Medwedew, ny 2008,  dia i Vladmir Poutine no lasa premier ministre. Tsy very voninahitra akory i Vladmir Poutine, vao mainka tian'ny olona izy amin'ny fahaiza-manao ataony.

Aoka tsy ho hadinoina, anisan'ny ny nampiongana an'i Ravalomanana dia, izy te-hitazona mafy ny azo, tsy manolotra olona hanolo hafa rehefa sarotra izany .


Commentaires

Leave a Reply