Voagadra Ravalomanana

Published on 05/26,2009

Aiza i Ravalomanana ? tsy fantatra. Iza no afaka mahita azy ? ny fianakaviany sisa. Ahoana ny fomba hiresahina aminy ? amin'ny télephone sisa. Azo lazaina fa efa mitovy amin'ny gadra i Ravalomanana. Mitovy ny toerana mahazo azy toy ny gadra politika hafa.  

Izy miteny hoe tsy afaka mody any M/car satria ho samborina sy hisy hamono, izany hoe matahotra izy.  "Aza matahotra minoa fotsiny ihany" hoy izy taloha izay, nilaza tamin'ny vahoaka malagasy tsy hatahotra ny fampitahorana nataon'ny fitondrana taloha. Ankehitriny, hampitahorin'i Andry Rajoelina izy, dia tsy sahy mody.

Ravalomanana tsy sahy mody noho ny tahotra, midika koa anefa izany fa manaiky ny mandat d'arrêt an'i Andry Rajoelina.

Ravalomanana tsy mety mody koa dia mampiseho tsy fahatokisana tanteraka amin'ireto vahoaka mbola manaraka azy. Hiaro azy ireo vahoaka ireo. Hilaza izy hody ka hidina eo Ivato amin'ny faran'ny volana may, dia ho feno vahoaka ny lalana rehetra mankany Ivato hitsena azy. Ho feno vahoaka amin'arivony ny aéroport Ivato. Ho voasakana mora fotsiny ireo miaramila vitsy voavidin'i Andry Rajoelina.

Lany ny andron'i Ravalomanana miandry ny 'communauté internationale' hiaro azy. Tsy hisy izany. Hatrizay dia vahoaka an'Antananarivo - izay hitsena azy ery Ivato - ihany no nahavita nanongana fitondrana fa tsy tafrikana na vazaha avy any ivelany akory. Na i Andry Rajoelina voavidy sy voasesika volam-bazaha aza mbola nila ny vahoaka an'Antananarivo.

'Ara-dalana', 'Lalam-panorenana' no dradraina. Tsy mandaitra ireo matoa tsy tafody amin'ireo hatr'izay. Nanao bodingerona i Andry Rajoelina naka fitondrana, aoka i Ravalomanana hanao bodingerona haka izany koa.

Ravalomanana ô .  'Sahia manao dingana lehibe'. Ireo vahoaka ireo ihany no hiaro anao.  Mody amin'izay. Raha tsy mody i Ravalomanana ao anatin'ny fotoana fohy, herin'andro, dia resy izany, ary ho raisin'ny vahoaka ho mpamadika.

'Tohizo ny lalantsika'. Haingana. 

 

 

 

   


Commentaires

Leave a Reply